Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toe-karena, Faritra Boeny

𝗡𝗮𝘁𝗮𝗼 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗟𝗮𝗽𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗷𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗜 𝗻𝘆 𝟮𝟵 𝗝𝗮𝗻𝗼𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗲𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿’𝗶 𝗕𝗼𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗗𝗶𝗻𝗶𝗸𝗮 𝗜𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲-𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮. 𝗛𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗸𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮, 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗜𝗗𝗦𝗣, 𝗠𝗘𝗙, 𝗨𝗘, 𝗘𝗗𝗕𝗠 𝗮𝗿𝘆 𝗣𝗜𝗖 𝗻𝗶𝘀𝗮𝗹𝗮𝗵𝘆.
Tanjona ny hamelomana indray ny toe-karena isam-paritra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fitondrana. 130 ireo mpisehatra tany an-toerana nandray anjara tamin’io Dinika io. Ny vokatry ny asa dia hampidirina ao anatin’ny Fikaonandoha Nasionaly. Nisolo tena ny MIDSP tany an-toerana moa ny SG n’ny Minisitera RAZAFIMAHAFALY Séraphin izay tsy nihambahamba niteny hoe : « Efa marefo ny toe-karena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tonga eto izahay mba hanainga ny mpisehatra rehetra eo amin’ny resaka toe-karena, ny mpandraharaha, ny mpiara-miombonantoka, ny sampandraharaham-panjakana, mba hanao dinika an-databatra boribory ary hitady vaha-olana miaraka. »
