Fifampiresahana miaraka amin’ny sehatra tsy miankina

Fihaonana teo amin’ireo mpikambana avy ao amin’ny “Etats Généraux” eo
amin’ny sehatra tsy miankina izay ahitana vondrona sy fikambanana mpandraharaha maro, sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) no nisy tetsy Anosy. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny “Dinika ho fanaingana ny toekarena eto Madagasikara” ny fihaonana.
Nandray tetsy Anosy an’ireo solontena mpikambana mivondrona ao anatin’ny “Etats Généraux” eo amin’ny Sehatra Tsy Miankina mikasika ny toekarena ny avy eto anivon’ny MIDSP. Notarihan’ny Minisitra RASOARAHONA Andriniaina izany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa ara-teknika aminy eo anivon’ny Minisitera. Nambaran’ny Minisitra teny ampiandohana moa fa tanjon’ny fihaonana ny fijerena ireo paikady sy fepetra hahafahan’ny mpandraharaha malagasy mivelatra sy ahitan’izy ireo fahombiazana bebe kokoa. Nanohy ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina, ramatoa Lala DISAINE ka nanambara fa: “Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina dia mijoro ho tetezana mampifandray ny sehatra tsy miankina sy ireo rafi-panjakana voakasika.”
Naroson’ireo mpikambana avy tao amin’ny “Etats Généraux” n’ny Sehatra Tsy Miankina moa ny soso-kevitra momba ny fanavaozana ny rafitra hetra, ny mangarahara, ny famporisihana ny fampiasam-bola, ary ny fanatsarana ny fifaninanana eo amin’ny orinasa. Notsindriana ihany koa ny tokony hanohanana ireo orinasa marefo, ny fanentanana ny sehatra tsy ara-dalàna hiditra amin’ny tontolon’ny fanarahan-dalàna, ary ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra Tsy Miankina.
Ireo tsao-kevitra ireo dia ho entina mandritra ny Fifampiresahana eo amin’ny
Fanjakana sy ny Sehatra Tsy Miankina (DPP) izay hatao ny 16–20 febroary 2026.
