CNIM-Fivoriambe tsy ara-potoana

𝘾𝙖𝙧𝙡𝙩𝙤𝙣 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮 – 𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 27 𝙁𝙚𝙗𝙧𝙤𝙖𝙧𝙮 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘮-𝘣𝘦 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯𝘯𝘺 𝘊𝘕𝘐𝘔 (𝘊𝘰𝘯𝘴𝘦𝘪𝘭 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢𝘭𝘪𝘴𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳) 𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘯𝘪𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺.
Fanavaozana sy fanitsiana ny Pacte » na ny fifanarahana iorenanny CNIM aminny fametrahana ireo fandaharanasa aminny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, fankatoavana ireo mpikambana vaovao ao anatinny filan-kevi-pitantanana, ireo votoatony roa ireo no nofehezina taminny alalanny fanaovan-tsonia. Tsy adino koa anefa ny mahakasika ireo asa iandreketanny CNIM.
Nanatrika ny fivoriana moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP) RASOARAHONA Andriniaina.
Nanambara ny tenany fa miaina ny CNIM ary miaina ny “Pacte » amin’ny fiaraha mientana hanova. Notsindriany ihany koa fa eo hatrany ny MIDSP hifanome tànana ho soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra.
Anisany nisongadina tao anatin’izao fivoriana izao ihany koa ny fankatoavana ny FNDI (Fonds National du Développement Industriel) izay hitsangana amin’ity taona ity, ka hanananny CNIM petra-bola 20%.
