๐—ฉ๐—ถ๐—น๐—น๐—ฎ๐—ด๐—ฒ ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฆ๐˜๐—ฟ๐˜‚๐—ฐ๐˜๐˜‚๐—ฟ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฑโ€™๐—”๐—ฐ๐—ฐ๐—ผ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ด๐—ป๐—ฒ๐—บ๐—ฒ๐—ป๐˜ ๐—ฒ๐—ป ๐—˜๐—ป๐˜๐—ฟ๐—ฒ๐—ฝ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐˜‚๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐˜, ๐Ÿฏ๐Ÿฌ-๐Ÿฏ๐Ÿญ ๐—ท๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ โ€“ ๐—™๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ

๐Ÿ“ŒNatao tetsy aminโ€™ny ONUDI Madagascar Andraharo ny valan-dresaka ho anโ€™ny mpanao gazety nanolorana ny Village des Structures dโ€™Accompagnement en Entrepreneuriat (Village des SAE), hetsika karakarainโ€™ny Madagascar SAE (MaSAE) miaraka aminโ€™ny ONUDI, ary tohananโ€™ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP). Ho tanterahina eny aminโ€™ny Citรฉ des Cultures Antaninarenina ny hetsika, izay misokatra ho anโ€™ny rehetra, ny zoma 30 janoary 2026 manomboka aminโ€™ny 11 ora, sy ny asabotsy 31 janoary 2026 manomboka aminโ€™ny 9 ora maraina.

โœ…Nambaranโ€™ny MIDSP fa mifanaraka aminโ€™ny laharam-pahamehanโ€™ny Fanjakana ity hetsika ity, aminโ€™ny fanohanana ny indostria, ny fanamafisana ny rafitra ara-toe-karena ary ny famporisihana ny fandraharahana ataonโ€™ny tanora. Nasongadina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny SAE ho fitaovana mahomby sy maharitra amin’ny fampivoarana ara-toe-karena sy ara-tsosialy.

โœ…Nandritra izany dia naseho ny sokajy samihafa aminโ€™ny SAE (mpanentana, mpampiofana, ยซ incubateurs ยป ary ยซ accรฉlรฉrateurs ยป), sy ny fanolorana ny hetsika ho tanterahina mandritra ireo roa andro ary ny lohahevitra fototra hoe :

ยซ Ny fanohanana ny fandraharahana, fomba hampandrosoana ny tanora sy ny sehatra tsy ara-dalร na mba ho fanarenana ny toe-karena malagasy ยป

โœ…Nandray anjara tamin’ity valan-dresaka ity i Lala Disaine (Tale Jeneralinโ€™ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina ao amin’ny MIDSP), Manoa Rakotoarimanjato (Manam-pahaizana Nasionaly momba ny Fandraharahana – Mpanolo-tsaina Incuboost ONUDI), Tandrify Randriamaromanana (Filohan’ny MaSAE), Seheno Ranoarivony (Lehiben’ny Vaomiera sy Fampandrosoana ao amin’ny MaSAE), ary koa i Reinhard Wagner (Incuboost ONUDI).

Vous aimerez aussi...