๐ฉ๐ถ๐น๐น๐ฎ๐ด๐ฒ ๐ฑ๐ฒ๐ ๐ฆ๐๐ฟ๐๐ฐ๐๐๐ฟ๐ฒ๐ ๐ฑโ๐๐ฐ๐ฐ๐ผ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ด๐ป๐ฒ๐บ๐ฒ๐ป๐ ๐ฒ๐ป ๐๐ป๐๐ฟ๐ฒ๐ฝ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฒ๐๐ฟ๐ถ๐ฎ๐, ๐ฏ๐ฌ-๐ฏ๐ญ ๐ท๐ฎ๐ป๐ผ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฒ โ ๐๐ถ๐ต๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ผ๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ
Natao tetsy aminโny ONUDI Madagascar Andraharo ny valan-dresaka ho anโny mpanao gazety nanolorana ny Village des Structures dโAccompagnement en Entrepreneuriat (Village des SAE), hetsika karakarainโny Madagascar SAE (MaSAE) miaraka aminโny ONUDI, ary tohananโny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP). Ho tanterahina eny aminโny Citรฉ des Cultures Antaninarenina ny hetsika, izay misokatra ho anโny rehetra, ny zoma 30 janoary 2026 manomboka aminโny 11 ora, sy ny asabotsy 31 janoary 2026 manomboka aminโny 9 ora maraina.
Nambaranโny MIDSP fa mifanaraka aminโny laharam-pahamehanโny Fanjakana ity hetsika ity, aminโny fanohanana ny indostria, ny fanamafisana ny rafitra ara-toe-karena ary ny famporisihana ny fandraharahana ataonโny tanora. Nasongadina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny SAE ho fitaovana mahomby sy maharitra amin’ny fampivoarana ara-toe-karena sy ara-tsosialy.
Nandritra izany dia naseho ny sokajy samihafa aminโny SAE (mpanentana, mpampiofana, ยซ incubateurs ยป ary ยซ accรฉlรฉrateurs ยป), sy ny fanolorana ny hetsika ho tanterahina mandritra ireo roa andro ary ny lohahevitra fototra hoe :
ยซ Ny fanohanana ny fandraharahana, fomba hampandrosoana ny tanora sy ny sehatra tsy ara-dalร na mba ho fanarenana ny toe-karena malagasy ยป
Nandray anjara tamin’ity valan-dresaka ity i Lala Disaine (Tale Jeneralinโny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina ao amin’ny MIDSP), Manoa Rakotoarimanjato (Manam-pahaizana Nasionaly momba ny Fandraharahana – Mpanolo-tsaina Incuboost ONUDI), Tandrify Randriamaromanana (Filohan’ny MaSAE), Seheno Ranoarivony (Lehiben’ny Vaomiera sy Fampandrosoana ao amin’ny MaSAE), ary koa i Reinhard Wagner (Incuboost ONUDI).
