đ.đđđ.đđđ $ : Vola natolotry ny IFRC an’i Madagasikara hanarenana ny faharavana vokatry ny rivodoza Gezani

Vola mitentina iray tapitrisa dolara no natolotry ny Federasiaona Iraisampirenenâny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC) ho anâi Madagasikara nandritra ny fihaonana nataonâny Praiminisitra, Lehibenâny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy taminâAndriamatoa Christopher M. Rassi, Talenâny Kabinetra, Lefitry ny Sekretera Jeneraly misahana ny maha-olona eo anivon’ny Federasiaona Iraisampirenenâny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC), tany Soisa.
Nandritra izao iraka tanterahiny any an-toerana izao dia nanao antso avo taminâireo mpiara-miombonâantoka lehibe maneran-tany momba ny fahasalamana ny Praiminisitra, mba hijerena manokana ny fahavoazana vokatry ny loza voajanahary nisesy teto Madagasikara, toy ny rivodoza izay tena nandrava ny Faritra atsinananâny Nosy.
Manoloana ny fahavoazana goavana, dia nanambara ny IFRC fa avoaka avy hatrany aminâny tahirimbola voatokana iahiana ny loza voajanahary io vola io, hanohanana haingana anâi Madagasikara. Ity fanampiana ity dia hifantoka aminâny fanomezana trano vonjimaika, fitsaboana sy fahasalamana, rano fisotro madio, fahadiovana, ary fiarovana ireo olona marefo indrindra. Ankoatra izany, dia hisy antso fanangonam-bola iraisampirenena mitentina 7.500.000 CHF havoaka tsy ho ela, hanamafisana sy hanitarana ny asa fanampiana.
Nohamafisina nandritra ny fihaonana fa ilaina ny fandrindrana akaiky aminâny Governemanta Malagasy, ny Croix-Rouge Malagasy, ary ireo mpiara-miombonâantoka, ka ny tanjona aminâizany dia ny hahatonga ny fanampiana tena hipĂ ka aminâny fomba mangarahara any aminâireo traboina. Nankasitrahanâny IFRC ny fitarihanâny Fitondram-panjakana ny fandrindrana ny vonjy taitra, ary nanamafy ny fahavononany hanamafy bebe kokoa ny fiaraha-miasa aminâi Madagasikara izy ireo.
