MIDSP – MEDEF Fifandraisana ivelany

𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 26 𝙁𝙚𝙗𝙧𝙤𝙖𝙧𝙮 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘪𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘪𝘴𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘌𝘋𝘌𝘍.

✅ Liana ary efa miandrandra tetikasa hiarahana amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina ry zareo MEDEF (Mouvement des Entreprises de France) La Réunion notarihin’ny filohany HOARAU Katy, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Minisitra RASOARAHONA Andriniaina.

✅ Notsindrin’izy ireo nandritra ny fitsidihana nataony fa maniry ny hisian’ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena amin’ny Madagasikara izy ireo.

✅ Nilaza arak’izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina fa mitovy ny tanjona eo amin’ny roa tonta ary misokatra ho an’ny mpandraharaha sy ny Sehatra tsy miankina avy any ivelany ny fitondrana. Nomarihiny fa mifanandrify amin’ny lalan-tsaina atrehina amin’ny dinika ho fanaingana ny toekarena izany fanirian’ny MEDEF La Réunion izany.

✅ Nanamafy ny Minisitra fa vonona amin’ny fiovana sy fanavaozana ary indrindra amin’ny fiaraha-miasa matotra i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...