Bred Madagasikara – Fitokanana ny « Maison des entrepreneurs »

𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙛𝙖𝙝𝙖 04 𝙈𝙖𝙧𝙩𝙨𝙖 2026 – 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘯𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢 𝘬𝘢𝘵𝘳𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘯𝘪𝘫𝘰𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘣𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘉𝘙𝘌𝘋 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘯𝘪𝘵𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘰𝘦 « 𝘔𝘢𝘪𝘴𝘰𝘯 𝘥𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴 » 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘵𝘴𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘔𝘢𝘪𝘴𝘰𝘯 𝘥𝘦𝘴 𝘗𝘔𝘌 » 𝘵𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢. 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘧𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢, 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘩𝘪𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘦𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢.
“Anarana vaovao vina vaovao”, hoy ny BRED Madagasikara. “Ity Maison des Entrepreneurs » ity dia hanampy amin’ny fanaingana an’i Madagasikara ho lehibe sy hanandanja eo amin’ny sehatra ara-toekarena eto an-toerana sy eran-tany miaraka amin’ny fanohanan’ny Minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny fitiavana manavao hananan’ireo mpandraharaha”, hoy ny Tale Jeneralin’ny BRED Madagasikara, CHARRAS-GILLOT Thierry.
Ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) RASOARAHONA Andriniana moa dia nisaotra ny BRED Madagasikara tamin’izao fananganana nataon’izy ireo izao. Nanamafy ihany koa ny Minisitra fa ny fisian’ny “Maison des Entrepreneurs” dia mampifanindran-dalana ny fomba fijery sy ny vinan’ny MIDSP sy ny BRED Madagasikara.
Misokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra izy ity: ireo mpandraharaha tena madinika (TPME), madinika (PME) … na ireo vao handraharaha. Ireo efa ao anatin’ny sehatra ara-dalana na ireo vonona hiditra amin’ny sehatra ara-dalana.
Marihina fa nanohana tamin’ny fomba ofisialy ity fitokanana ity ny MIDSP ka naneho fisaorana ny amin’izany mariky ny fifampitokisana misy izany ny Tale Jeneralin’ny BRED Madagasikara.
