Rivo-doza Gezani

𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗘𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 : 𝗦𝗢𝗥𝗢𝗞𝗔 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔 𝗠𝗜𝗟𝗔𝗡𝗝𝗔, 𝗧𝗢𝗡𝗚𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗠𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗙𝗜-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗡𝗞𝗜𝗡𝗔.
𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 18 𝙛𝙚𝙗𝙧𝙤𝙖𝙧𝙮 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘴𝘰𝘴𝘰𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘚𝘖𝘈𝘙𝘈𝘏𝘖𝘕𝘈 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘴𝘢, 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 (𝘔𝘛𝘌𝘍𝘰𝘗), 𝘍𝘓𝘖𝘙𝘌𝘕𝘛 𝘚𝘰𝘢𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘉𝘦𝘵𝘺 𝘓𝘦́𝘰𝘯𝘯𝘦, 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘫𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 (𝘔𝘌𝘍) 𝘙𝘈𝘡𝘈𝘍𝘐𝘕𝘋𝘙𝘈𝘒𝘖𝘛𝘖 𝘐𝘰𝘶𝘳𝘪 𝘎𝘢𝘳𝘪𝘴𝘴𝘦 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘫𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘝𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢 (𝘔𝘊𝘊) 𝘙𝘈𝘚𝘖𝘓𝘖𝘍𝘖𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘪𝘴𝘢.
Nandritry ny fihaonana dia nangatahan’ireo avy amin’ny Sehatra tsy miankina ny hanohanan’ny fitondrana azy ireo mba hahafahany miharina aingana. Laharam-pahamehana amin’izany ny fanampiana sy fijerevana ny fahasimban’ny fidiram-bola sy ny fananan’izy ireo nandritra ny rivodoza, indrindra ho an’ireo orinasa madinika sy salatsalany (PME) any an-toerana.
Notsindrian’izy ireo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fandriampahalemana sy ny fisorohana ny fanararaotana mety hitranga, indrindra amin’ny fampiakarana ny vidin’entana.
Voaresaka manokana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa any Toamasina sy ny filàna famerenana aingana ny herinaratra amin’ny laoniny.
Ankoatr’ izany, nanao fangatahana izy ireo ny mba hijerena ny haban-tseranana alaina amin’ireo mpandraharaha voakasiky ny rivodoza. Izany no atao dia ny mba hanamaivanana ny vesatra ara-toekarena atrehin’izy ireo amin’izao andro sarotra lalovany izao.
Ho famahana ny olana, hisy ny rafitra manokana izay hivondronan’ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina sy ny Rafi-panjakana ho atsangana ahafahana mandrafitra paik’ady sy mandrindra ny asa ho tanterahana. Ny MIDSP no hitarika io rafitra io. Ny vokatra azo avy amin’io rafitra io dia ho atolotra eo anivon’ny Governemanta sy ireo Minisitera voakasika isan’isany.
