Madagascar / Firenena Mikambana

« Revue annuelle du plan de travail conjoint 2025 »

📌𝘊𝘢𝘳𝘭𝘵𝘰𝘯 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 𝘧𝘢𝘩𝘢 10 𝘔𝘢𝘳𝘵𝘴𝘢 2026 – 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢 𝘯𝘺 𝘫𝘦𝘳𝘺 𝘵𝘰𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘵𝘳𝘢𝘵𝘦𝘫𝘪𝘬𝘢 2025 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘭𝘢𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘭𝘰𝘷𝘢𝘪𝘯𝘫𝘢𝘧𝘺 (𝘜𝘕𝘚𝘋𝘊𝘍 2024-2028).

✅ Ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI) RAZAFINDRAZAKA Naina, no anisany nitarika ny fotoana tamin’ny anaran’ny Ministera Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP).

✅ Nifantoka tamin’ny fandinihana ny asa iarahana amin’ny Firenena Mikambana ny dinika. Araka ny fanazavan’ny Talen’ny Fanohanana ny Indostria Lovainjafy (DAID) RAMIANDRASOA Ulrich : “ 𝑁𝑦 𝑓𝑖ℎ𝑎𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑎𝑛𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑗𝑒𝑟𝑦 𝑡𝑜𝑑𝑖𝑘𝑎 𝑖𝑠𝑎𝑛-𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎 𝑚𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑛𝑦 𝑑𝑟𝑎𝑓𝑖𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑖𝑜𝑚𝑏𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 2025 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑗𝑒𝑟𝑒𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑜𝑎𝑣𝑦 2024-2028 𝑛𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑂𝑁𝑈𝐷𝐼. 𝑇𝑎𝑛𝑗𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑎𝑚𝑎𝑟𝑖𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑣𝑜𝑎𝑟𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑎𝑠𝑎 𝑖𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑚𝑏𝑜𝑛𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑑𝑒𝑝𝑎𝑟𝑡𝑒𝑚𝑎𝑛𝑡𝑎 𝑖𝑠𝑎𝑛-𝑡𝑠𝑜𝑘𝑎𝑗𝑖𝑛𝑦 𝑒𝑜 𝑎𝑛𝑖𝑣𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎𝑛’𝑎𝑠𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑀𝑖𝑘𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑎. »

✅ Ankoatra izay, ny fihaonana dia natao ihany koa hamantarana ny fifamenoan’ny paikady stratejika sy ireo asa tanteraka nandritry ny taona 2025. Izany dia ahafahana manao ny fampitoviana sy ny fanitsiana ilaina ho an’ny taona 2026, ary koa ho fankatoavana ireo asa vita rehetra izay hatolotra ny Komity mpanatanteraka (Comité de Pilotage) ny alakamisy ho avy izao.

✅ Marihina fa ankoatran’ny solontenam-panjakana izay nahitana ny MIDSP sy ny MEF dia teo koa ny solontenan’ny ONUDI, ny PNUD ary ny Sehatra tsy Miankina tamin’ny alalan’ny GEM.

Vous aimerez aussi...