Akon’ny fananganan-tsaina

𝗡𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗹𝗼𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘀𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗻𝗶𝗸𝗮 𝘁𝗲𝘁𝗼 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝘀𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮.

✅Notanterahina tetsy Anosy ny fananganan-tsaina niarahan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, RASOARAHONA Andriniaina, sy ny fianakaviamben’ny MIDSP.

Nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ny Minisitra noho ny fahavitan’ny fakan-kevitra ara-toekarena nasionaly sy isam-paritra, ary nambarany ny fidirana amin’ny dingan’ny fandravonan-kevitra.

📌Natao ihany koa ny tatitra momba ny asa vita nandritra ny telo volana niasana, anisan’izany ny « Quick-wins » sy ny Dinika ho an’ny fanaingana ny toekarena.

Nambaran’ny Minisitra teto ihany koa fa efa vita ny « PTBA » ary hanomboka hamoaka ny vokatra mifandraika amin’izany ny Minisitera. Nampahafantarina tamin’izany ihany koa ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Kabinetra sy ao amin’ny STAF eto anivon’ny Minisitera.

Vous aimerez aussi...