Espace Jeunes Entrepreneurs (EJE Shift)

Nosokafana ny andiany faha-14

📍𝙎𝙤𝙖𝙧𝙖𝙣𝙤 – 𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤, 𝙛𝙖𝙝𝙖 13 𝙈𝙖𝙧𝙩𝙨𝙖 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘚𝘰𝘢𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-14 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘌𝘴𝘱𝘢𝘤𝘦 𝘑𝘦𝘶𝘯𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴 (𝘌𝘑𝘌 𝘚𝘏𝘐𝘍𝘛). 𝘏𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘭𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘌𝘌𝘙𝘌 (𝘊𝘭𝘶𝘣 𝘥𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴 𝘌́𝘵𝘶𝘥𝘪𝘢𝘯𝘵𝘴 𝘥𝘶 𝘙𝘦𝘯𝘥𝘦𝘻-𝘷𝘰𝘶𝘴 𝘥𝘦𝘴 𝘌𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘴) 𝘬𝘢 𝘵𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘢𝘯𝘨𝘦 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.

✅Mitondra ny lohahevitra hoe « Tanora, haitao ara-nomerika ary famoronana asa : inona avy ireo fahafahana ho an’i Madagasikara ? », ity fihaonana ity dia mikendry ny hanokatra sehatra ho an’ny fandinihana stratejika sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo andrim-panjakana, ireo mpisehatra amin’ny nomerika ary ny tanora momba ireo fahafahana mamorona asa entin’ny haitao ara-nomerika eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, ity andiany faha-14 amin’ny EJE SHIFT ity dia sehatra manan-danja entina manentana ny tanora Malagasy hiroso bebe kokoa amin’ny fandraharahana sy ny fanavaozana ara-nomerika, ho fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny famoronana asa maharitra eto amin’ny firenena.

📌Nandritra ny fanokafana, nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fandraharahana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAZAFIMAHAFALY Séraphin. Nambarany fa “raha te ho mpandraharaha matihanina dia ilaina ny mitazona ny fahatokisan’ny mpanjifa ary ny fahasahiana.”

✅Nisy ihany koa ny adihevitra an-databatra boribory izay nandraisan’ny Sekretera Jeneralin’ny MIDSP anjara. Nandritra izany no namoaboasany ny vina nasionaly momba ny fampiroboroboana ny indostria ara-nomerika sy ny famoronana.

Vous aimerez aussi...